
Nifarana hatreo indray ny dian’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampihorohoro fatratra ny tao an-drenivohitr’Alaotra tao. Ny alahady teo, tao anatin’ny fisamborana somary nahery vaika ihany, olona dimy, samy mpanao fanafihana mahery vaika no voasambotry ny pôlisy tao an-toerana.
Araka ny angom-baovao azo dia ny tolakandron’ny alahady teo no notongavan’ny pôlisy tao an-tranony tao Ampasambazimba, Ambatondrazaka, ny lehilahy iray, izay voalaza fa nampiantrano andian’olon-dratsy. Efa nialohan’izay rahateo no nahazoana vaovao io olona io, raha ny fanazavana azo hatrany fa ahiahiana fatratra ho isan’ireo mpiray tsikombakomba amina olon-dratsy. Voahodidina tsy afa-niala avy hatrany ireo tao an-trano na dia niezaka ny nanohitra aza. Andro mazava rahateo moa ka nahasarika ny rehetra ny firodorodon’ireo mpitandro filaminana sy ny famalin’ireo tao an-trano. Na izany na dia tsy izany aza anefa, voasambotra soa aman-tsara ihany ireto farany ary tsy nisy afa-nikofoka intsony. Araka ny fanazavan’ny pôlisy dia hita tao an-tranon’ireo olona ireto ny fitaovana maro fentin’izy ireo manafika sy entana halatra sasantsany. Marihana fa mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao. Ity farany no voalaza fa isan’ireo mpamatsy fitaovam-piadiana mahery vaika ity fikambanan-jiolahy ity.
m.L