Miaramila mamo telo no nidaroka ireo mpivady izay mpamily taxi sy ny andefimandriny ary koa namotika ny fiarakaretsaka. Izay hatreto no anton’ny fitorian’izy mivady izay voapetraka omaly teny amin’ny fampanoavana. Ny alin’ny alatsinainy dia efa notazomina tetsy amin’ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana izy telolahy ary natao andrimaso mandra-pisavan’ny toaka. Ny marainan’iny kosa dia afaka namonjy fodiana izy ireo ary ny naratra sy potika fananana dia nanapa-kevitra ny nametraka fitoriana teny anivon’ny fampanoavana etsy Anosy. Raha ny tena zava-nitranga indray araka ny fanamarihan’ireo mpivady hatrany dia ny hatezeran’ireo miaramila telo rehefa voaendaka tao anaty taxi ireo olona rehetra tao anatiny, isan’izany ireto mpitandro ny filaminana ireto. Nihevitra izy ireo fa mpiray tsikombakomba tamin’ny mpamily taxi ny jiolahy ary dia itsy voalohany no niharan’ny rihitra. Porofo mivaingana ary mitohoka amin’ny tenda ny fahasimbàn’ny fiara tanteraka. Miaramila etsy Soanierana sy etsy Ivato ireo voakasika ary tsy maintsy ny zandary no hanao fanadihadiana azy ireo rehefa mivoaka ny baikon’ny fampanoavana ny amin’ny hanomboka an’izay ny famotorana. Niteraka resa-be teo amin’ny tambajotra sosialy ity tranga ity satria na teo aza ny sary sy feo efa niparitaka dia mbola nisy sahy nilaza ihany fa tranga efa tany aloha tany. Raha tsy nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voatafika ka nijoro ho vavolombelona dia noraisina ho toy ny tsaho ny zava-nitranga. Ankehitriny dia mitodika amin’ny fikirakiràna ny fanadihadiana ny mason’ny olona. Ho lasa lavitra ve sa kosa ho vitavita hoazy? Indrindra raha ireo tokony hiaro ny ain’ny olona sy ny fananany indray ity no lasa nandratra ny olona sy nanapotika ny fananany? Manara-maso ny fivoaran’ny raharaha ny olona…
D.R