Tsy mikely soroka ! Tao anatin’ny telo andro, nanomboka ny zoma manifika faran’ny volana ary hatramin’ny omaly dia nanao ranolava ny fisamborana ireo tontakely, mpanendaka, mpamaky trano, mpangalatra ary jiolahy mitam-piadiana teto an-drenivohitra, nataon’ireo pôlisy ao anatin’ny Fitaleavam-paritra Analamanga. Raha atotaly, araka ny fampitam-baovaon’izy ireo dia mahatratra hatrany amin’ny 17 ny isan’ireo voasambotra.
Nanomboka tamin’ny fandravana ireo andian-tontakely, izay nampitondra faisana iny faritra maro tao anatin’ny boriborintany fahadimy iny : Andraisoro, Ambatomaro, Nanisàna, Tsarahonenana, … Mbola tovolahy kely avokoa saingy manao andiany sy miaraka amin’ny zava-maranitra ka tsy hita hotoherina satria mandratra sy mamono avy hatrany. Miisa fito izy ireo voapaingotra tao anatin’izay. Misy mihitsy ireo nanaovana sarika am-pandriana tany an-tranony. Raha ny voalaza dia mbola nahitàna karazan-java-maranitra fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny hita tany.
Toraka izay ihany koa ny teny Isotry. Efa-dahy indray ireo tra-tehaky ny pôlisy manao fanamiana sivily, mpanao fisafoana andro aman’alina. Anisan’ny mampikaikaika ny mponina rahateo ihany koa ny fisian’ireto jiolahy ireto izay, tsy menatra ny mandrava avy hatrany na dia antoandro be nanahary aza. Fa ankoatra ireto dia nisy maromaro ihany koa tra-tehaka tetsy amin’ny Fasan’ny karàna, tobim-piantsoan’ireo fiara mpitatitra ary toerana iray ivangongoan’ireo tontakely ihany koa. Tamin’io fotoana io, raha ny vaovao dia teo am-panendahana olona avy hatrany nivoaka taxibe mihitsy izy ireo no noraisin’ireo pôlisy avy eo anivon’ny hery vonjy taitran’ny kaomisaria fotsiny, izay efa nitsongon-dia ireto farany.
Ary farany, mpangalatra môtô notsimponina fotsiny tetsy Miandrarivo taorian’ny taratasy fisamborana navoakan’ny tribonaly. Tranga iray izay tsy mety lefy mihitsy ity resaka halatra môtô ity na eto na any amin’ny faritra. Asa noho ireto fitaovam-pitaterana ireto tsy misy famantarana sy laharana ara-panjakana angamba ka tsy hafahana mamantatra intsony ny hoe avy aiza na an’iza.
m.L



