Nitrangan’ny vono olona, zaza 14 taona, tao Mahavelona Foulpointe andro vitsy lasa izay. Noho io toe-javatra io dia tezitra ireo fokonolona avy ao amin’ny tanàna atsimo sy avaratry ny Manda, ka nitondra sora-baventy eraky ny tanana nilaza ny hamoahana ny marina momba ity raharaha vono olona ity. Mpandraharaha iray avy ao an-toerana ihany no lasibatra tamin’ity sora-baventy nolanjain’ny fokonolona ity, mba hamoahan’ity mpivarotra ity ny marina mikasika ity vono olona ity, mbola tsy hita koa mantsy ilay ankizilahy 14 taona tamin’io fotoana io. Niakatra ny mari-panan’ilay fitakiana nataon’ireo fokonolona notarihan’ireo ray aman-drenin’ilay ankizilahy tsy hita popoka, ka tonga tamin’ny fandravana ny fananan’ilay mpandraharaha mpivarotra ao Mahavelona Foulpointe ity, ka voatery niditra an-tsehatra ny emmo-reg nandritra ity tranga fandravana fananan’olona ity.
Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana noho ireo fokonolona lasa nandrava fananan’olona indray, ka nanome baiko ny prefen’i Toamasina ny hisamborana ireo mpandroba fananan’olona rehetra nandritra izany. Nandritra izany mantsy dia nisy ireo nitondra fanaka tamin’ity toerana fanamboarana izany, teo ireo nitondra fanafody tamin’ilay tranom-barotra mpivarotra izany, ka fiara roa sy ny moto iray potika nandritra izany. tao anatin’ity raharaha ity anefa dia ny vadin’ilay rangahy mpandraharaha bevohoka sy ny mpiasan’izy ireo ihany no tao an-tanàna nandritra io zava-drehetra io, fa ilay rangahy amin’ny maha-piasam-panjakana azy dia miasa ao an-drenivohitra ao. Raha niresaka momba ity tranga ity anefa izy dia nilaza ilay rangahy, fa ny rain’io zazalahy ambaran’ny olona fa maty io no niangavy azy mba hiasa ao aminy ilay zazalahy, noho izy mandiditra sy mangalangalatra an-tanàna. « Nanaiky izahay mivady saingy nilaza fa aleo izy ampianarina asa tanana, ka niasa tamin’ilay toerana fanamboarana fanaka. Izao ilay zazalahy tsy hita ny tany nalehany, dia izahay indray ambara fa namono ilay zazalahy amin’izao ».
Voalaza koa fa ny alin’ny alarobia 29 desambra dia very ny vola 04 tapitrisa tao amin’ilay toerana fivarotam-panafody. Nanaovana fanadihadiana avokoa ny mpiasa rehetra tao, saingy ilay tovolahy iray 14 taona no tsy hita nandritra izany. Mahay tsara an’i Mahavelona Foulpointe ny tenany, fa ilay tompon’ny fivaroram-panafody no olona vahiny ao an-toerana. Tonga dia fantatra teo fa lasan’ilay tovolahy 14 taona nandositra ilay vola 04 tapitrisa ariary, ary mbola tsy hita izy hatramin’izao. Nandritra izany koa dia nisambotra ireo mpadroba ity olona tao Mahavelona Foulpointe ity ny emmo-reg nanao iraka tany an-toerana, ka tovolahy folo no voasambotra nandritra izany, izay tsy maintsy nentina taty Toamasina renivohitra hanaovana fanadihadiana mikasika ny zavatra nataony avy.
Malala Didier