- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSofia : Miampatrampatra ny fatin-dahalo

Sofia : Miampatrampatra ny fatin-dahalo

Tato anatin’ny herinandro teo dia efa tafakatra maromaro ihany ireo olon-dratsy sy jiolahy mpanao fanafihana no nihazo ny varo-tsy mifody tao amin’ny Faritra Sofia tao. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika manokana ho fametrahana ny fandriampahalemana any an-toerana. Ny farany teo, dia izay nitranga, omaly, tao Analabe Mampikony. Raha ny fantatra dia dahalo raindahiny miisa roa no tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny, fantatra amin’ny petak’anarana hoe Lefaly sy Davato. Ny vaovao azo avy any an-toerana no nahafantarana fa ny alakamisy lasa teo izy ireo no voasambotry ny zandary, tao anatin’ny hetsika ho an’ny fandriampahalemana izay. Efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony izy roalahy ireto, raha ny voalaza ary voatonona foana amin’ny resaka asan-dahalo sy fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Mazava ho azy fa efa mpamerin-keloka rahateo izy ireo. Nandritra ny famotorana azy ireo no naneken’izy ireo ny hilaza sy hanoro ny namany, izay mbola misy miafina any ho any, omaly. Toy ny mahazatra anefa, rehefa tojo ny toerana fantany ireo olon-dratsy dia ny hiezaka ny hitsoaka hatrany ny tao an-tsainy. Voatery nampiasa fitaovam-piadiana araka izany ireo mpitandro filaminana rehefa tsy nety najanona tamin’ny fampitandremanana izy ireo. Ka ireo niafara tamin’ny fahafatesany ireo. Raha ny angom-baovao azo dia manodidina ny folo mahery tany ho any, miampy an’ireto farany ireto no efa lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, nanomboka ny faran’ny volana janoary lasa teo no ho makaty. Tao amin’ny kaominina Malainkalina no tena maro tamin’izany. Milaza ireo mpitandro filaminana fa tsy mijanona hatreo ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy raindahiny any amin’iny faritra iny, ary mbola mitohy hatrany ny hetsika ataon’izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici