- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Nanamafy ny fiarovana azy ny RSF

Fernand Cello : Nanamafy ny fiarovana azy ny RSF

Tsy fantatra izay mahazo azy ao Antanimora satria tsy azo vangiana.

Raha niala bala avokoa ny rafitra sy manam-pahefana eto amin’ny firenena mahakasika ny fisamborana an’i Fernand Cello, ny fikambanana iraisam-pirenena miompana amin’ny fiarovana mpanao gazety na « Reporter Sans Frontières (RSF) » kosa dia nanamafy ny fiarovany azy. Mpanao gazety eo anivon’ny gazety an-tsoratra « Basy Vava » i Fernand Cello ary nosamborina tamin-kery ny alin’ny 30 janoary, niaraka tamin’ny vadiny (…) nanomboka teo izy dia tsy azo tsidihina intsony rehefa notazomina am-ponja ao Antanimora ary na ny antony itazomana azy aza dia tsy fantatra velively, raha araka ny fanamarihan’ny RSF. Io fikambanana io dia manohitra ny fitazomana tsy ara-drariny an’i Fernand Cello ary mangataka ny hamoahana azy tsy misy hatak’andro, raha araka ny fanambaràna nataon’i Sadibou Marong, tale misahana an’i Afrika eo anivon’ny RSF. Raha iverenana fohy dia mahakasika ny famoahana vaovao diso izay mahakasika manam-pahefana eo amin’ny fitondràna no nanenjehana ity mpanao gazetin’ny Basy Vava ity. Efa nanintsy ny vaovao izy ary naneho fialan-tsiny tamin’ny voakasika saingy tsy nampiova ny fanenjehana azy izany. Namoahana didy fisamborana ary voatery nitsoaka mba ho fiarovana ny ainy. Herintaona taty aoriana, raha mba namangy ny vady aman-janany tetsy Anosizato izy no efa nisy nanaraka ary nosamborina tamin-kery. Ny ampitson’iny ihany dia efa nentina tao anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana ary nidoboka am-ponja etsy Antanimora. Nalefa eny amin’ny kartie manana solon’anarana Andekaleka, izay tena feno ny tontakely ary tsy azo vangiana na tsidihina hatreto, raha araka ny fanazavan’ny vadiny. Raha nangina na koa vao mainka aza mamantsika ny fery izay mahazo an’i Fernand Cello ny eto an-toerana, ny fikambanana iraisam-pirenena kosa dia mitodika tsikelikely any amin’ity raharaha ity. Toa ny RSF izay manara-maso akaiky ny fivoarany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici