- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversPolisim-pirenena : Hetsika hanampiana ireo kamboty

Polisim-pirenena : Hetsika hanampiana ireo kamboty

Notanterahan’ny « Collectif de Officiers de Police de Madagascar » COPM teny Ivato, ny hetsika hentina hanampiana ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena any Ambatolampy sy ho fanamafisana ny firaisankinan’izy ireo. Fahombiazana no hita tamin’izany, araka ny filazan’ny filohan’izy ireo Mandridake Randriamanjaka. Araka izany, tratra ny tanjona. Naneho ny fahavononany ireto « Officier de Police » ireto, amin’ny fanantanterahana ny vina izay napetraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Tsy inona izany, fa ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny asan-jiolahy ary ny famerenana amin’ny toerany ny Polisim-pirenena. « Vonona izahay hanome tànana amin’ny fahatratrarana ireo vina napetraky ny misnisitra ireo », hoy hatrany ny voalaza. « Ataonay vaindohan-draharaha ireo vina ireo. Efa nisy rahateo ny petrakevitra   napetrakay mahakasika izany », hoy ny filohan’ny fikambanana. Marihina , fa misy 400 eo ho eo ireo « officiers de Police » eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser