Ny alin’ny alahady no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Niala ny làlana ilay fiara fitateram-bahoaka ary nifatratra tany an-tanimbary, nivadika ambony ambany. Naratra avokoa ny ankamaroan’ireo olona nentiny ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly Hjra. Raha ny fitantaran’ny olona izay nahita dia niala sarety tao anaty haizina ilay fiara ary tsy tafajanona intsony ka io nirona nivoaka ny làlana io. Nisy fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana mba hahafantarana ny anton’ny loza. Ny tsapa dia tena miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny arabe tokoa ny fisian’ireny kalesa sy sarety ireny, indrindra rehefa maizina ny andro. Tsy misy marika na jiro hamantarana azy mihitsy izy ireny ary rehefa tena akaiky vao hita. Na mpandeha moto na mpandeha fiara dia betsaka no efa nahita faisana nidona tamin’ny saretikely.
D.R