Tontosa ny 08 Febroary 2024 lasa teo ny fianianan’ny filoha roa lahy vaovao hitantana ny sampana FI MPI MA Akon’Ankaratra faritany Antsirabe Atoa Rasoloarijaona Faliarisoa sy ny filohan’ny sampana FI MPI MA Manandoana Atoa Rijaharinjaka Elisio. Marihina fa ireo sampana ireo dia sampana vaovao napetraka hanampy ireo 9 efa misy. Midika izany fa miroborobo ny FI MPI MA faritany Antsirabe. Misandrahaka maneran-tany ny FI MPI MA, firenena 21 no sahaniny amin’ny fampiroboroboana ny soa toavina Malagasy.
Natao tamin’ity fotoana ity ihany koa ny famoahana ny ampahany farany tamin’ireo mpianatra taom-pianarana 2023-2024 amin’ny andiany Vatosoa miisa 23 mianadahy. Ankoatra izay ny fandraisana mpikambana raikitra sy fanasalorana lamba azy ireo.
Fantatra fa amin’ny 12 Jolay no famaranana ny fankalazana ny jaobily ary hisy ny tsangambato hatsangana ho marika hita maso hanamarika ny faha 20 taona nijoroany teto Antsirabe izany.
Andry N