- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversMpiasan’ny PAM : Voaroba tratra teo am-panakalozana vola vahiny ireo jiolahy

Mpiasan’ny PAM : Voaroba tratra teo am-panakalozana vola vahiny ireo jiolahy

Vola vahiny « euro » sy « dollar », izay miteti-bidy any ho any amin’ny roa tapitrisa ariary tany ho any no azon’ireto olon-dratsy ireto, rehefa avy namaky trano fandraisam-bahiny iray teo Farafangana izy ireo, ny herinandro lasa teo. Roa andro taty aoriana, niakatra teo an-tsenan’i Farafangana ny iray tamin’ireo olon-dratsy, handeha hanakalo vola. Noraisim-potsiny. Raha ny fampitam-baovao azo, tamin’ny heriny androany no nitranga ity fandrobana ity tany an-toerana. Vazaha « hollandais » iray, miasa any an-toerana avy eo anivon’ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny sakafo no lasibatra tamin’izay fotoana izay. Ankoatry ny vola, 150 euros sy 250 dollars, very tamin’izay fotoana izay, dia lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny solosaina fentin-tanana iray. Nametraka fitoriana avy hatrany ity terantany vahiny ity ary nandray an-tanana ny raharaha ny zandary tany an-toerana, nentina nikarohana ireo olon-dratsy. Tsy niandry ela dia nivaly ny fikarohana rehefa voapaingotra teo an-tsena ny iray. Nanao tohivakana ny fisamborana taorian’izay. Miisa telo ireo olon-dratsy no voasambotra taorian’izay. Telolahy izay voalaza fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ity asa ratsy ity. Marihana fa mbola hita tany amin’ny iray tamin-dry zalahy ireto ny vola vahiny, ambiny tsy voatakalo tamin’ireo nangalarina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici