- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpangalatra “panneaux solaire” voasambotra

Andravoahangy : Mpangalatra “panneaux solaire” voasambotra

Mirongatra izay tsy izy tokoa ireo mpangalatra panneaux solaires sy ireo kojakoja manodidina azy amin’izao. Betsaka mantsy ireo mpitady izany, indrindra fa amin’izao fotoana mahabetsaka ny delestazy izao. Hany ka manita-tsaina ireo zatra mpitsentsitra ny hatsembohan’ny hafa. Toa ireto vao tra-tehaky ny polisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo ireto omaly. Raha ny voalaza, tany amin’iny faritra Faravohitra no nangalarin’-dry zareo izany fitaovana izany ( panneaux solaires sy jiro) ka noeritreretin’izy ireo hamidy eny Andravoahangy.

Tao anatin’ny fisafoana vao maraim-be mihitsy ireo polisy no sendra azy roalahy ireo nilonjehitra gony. Nampiahiahy avy hatrany ny zava-nisy ka niroso tamin’ny fisavana sy ny fanontaniana mahakasika ireto entana ireto ny polisy. Mazava ho azy fa niezaka ny nanafina aza dia nitsinkafona ihany ny nafenina. “Entana vao avy nangalarin-dry zalahy ireo”. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nentina nihazo ny biraon’ny polisy ry zalahy ireto ho amin’ny famotorana. Azo heverina hoy ny vaovao fa izy ireo no tompon’antoka amina halatra tahak’izany. Eo am-piandrasana ny fanoloran azy ireo eny anivon’ny Fitsarana dia mbola mitohy ny famotorana azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici