Efa diso mivaona loatra amin’ny sain-dratsy sy ny resaka fananahana sy vetaveta ny ankizy amin’izao, raha ity tranga tao Faratsiho ity no dinihana. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia ankizilahy kely vao 15 taona monja no voatery nosamborin’ny zandary tao Ambohiborona, ny voalohan’ny herinandro teo noho ny resaka fanolanana. Zaza tsy manantsiny, vavikely 5 taona no niharan’izany fanararaotana ara-nofo izany.
Raha ny vaovao azo hatrany dia tonga teny an-tsofin’ny manam-pahefana ity tranga ity, ary nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo hanao ny fanamarinana. Nisy avy hatrany ny fizahana ara-pahasalamana natao an’ilay zazavavy, izay voaporofo taorian’izay fa efa simba sy niharan’ny fanolanana. Mazava ho azy fa tamin’ny famotorana azy no nanondroany an’ilay ankizilahy teo an-tanana ihany no nanao izany taminy. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina natao famotorana. Niaky rahateo ny zavatra vitany. Nasaina nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ilay zaza ary notanana natao andrimaso kosa ilay zalahy nanao ny fanolanana mandra-piandry ny fanolorana azy teny amin’ny Fampanoavana. Nanapa-kevitra ny hametraka ity zazalahy ity eny amin’ny toby fanarenana zaza maditra moa ny mpitsara mpanao famotorana rehefa natolotra azy ny raharaha. Izany dia mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Noraisin’ireo tompon’andraikitra an-tanana kosa ilay zaza lasibatra.
m.L