- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-Divers« Engin » simba : mihitsoka ny làlana eo Ambohimangakely

« Engin » simba : mihitsoka ny làlana eo Ambohimangakely

Telo andro izay no sahirana ny fifamoivoizana eo amin’ny lalam-pirenena faharoa izay mifanandrify amin’Ambohimangakely. Ny antony dia noho ny fisian’ny fiarabe mpanao làlana izay simba ary tsy afa-mihetsika. Soa za fa mba tsy ampovoan-dàlana izany fa dia tapaka tanteraka indray ny lalam-pirenena. Tsemboka ny polisy monisipaly mandamina ny fifamoivoizana ary raha tsy nisy azy ireo dia tena tapaka tanteraka ny arabe noho ny fitohanana. Mila vahaolana maika satria miteraka fahasahiranana eo amin’ny fifamoivoizan’ny olona sy ny fiara. Indrindra feno mpianatra kely mandeha amin’iny làlana iny ary noho ny fitohanana sy ny tsy fisian’ny làlana ho an’ny mpandeha an-tongotra dia tsy maintsy miditra arabe.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici