- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversRotsak’orana sy ranotrambo : Olona telo namoy ny ainy

Rotsak’orana sy ranotrambo : Olona telo namoy ny ainy

Ankoatra ireo tra-boina teto an-drenivohitra sy ny manodidina noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’orana nifanesisesy tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia namoizana aina ihany koa izany toetr’andro ratsy izany. Ny faran’ny herinandro teo, dia fantatra fa olona telo no namoy ny ainy. Zazavavy kely, mpianatra handeha hody, ny harivan’ny zoma lasa teo, tetsy Alasora ary mpivady tao Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, lasan’ny ranotrambo

Ity tranga farany ity dia nitranga ny alin’ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Avy namonjy tsena tao Ambohitompoina izy ireo ary handeha hody. Tsy maintsy miampita ny rano teo andrefan’i Velomanga, fokontanin’Ambatolampikely anefa. Tamin’izay fotoana izay no tonga tampoka ny ranotrambo (rano misasasa tampoka sy mahery fiavy) ka nitondra azy mivady, izay marihana fa teny ambony môtô. Ny marain’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any vao hitan’ny vatana mangatsiakan’izy ireo, hoy ny vaovao.

Niseho ny zoma hariva teo ihany koa ity tranga tetsy Alasora, distrikan’Avaradrano ity, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny kaominina Alasora. Hiaraha-mahalala fa oram-be ny teto an-drenivohitra tamin’io fotoana io. Mahery dia mahery araka izany riaka ka lasa tamin’izany ity zazavavikely vao fito taona monja ity, tao amin’ny fokontany Ampahibato. Namoy ny ainy vokatr’izay izy. Voalaza fa tatatra tamin’ny sisin-dalana no nahafaty azy, araka ny vaovao hatrany.

Tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay, mba ho mailo sy handray ny andraikitra tandrify azy tokoa ny ireo tompon’andraikitra isanisany amin’izao andro ratsy sy fiavian’ny oram-be izao. Ny loza tokoa tsy mampilaza ary ny tsara dia aleo misoroka hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici