- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : « Chauffeur » taxibe, namoy ny ainy teo am-pamiliana

Alasora : « Chauffeur » taxibe, namoy ny ainy teo am-pamiliana

Loza mahatsiravina no nitranga tetsy Alasora ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Fiara mpitatitra  iray, avy ao amin’ny « zotra F » no nivarina an-kady, niaraka tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Namoy ny ainy, ilay mpamily, hoy ny fampitam-baovaon’ny kaominina raha fito tamin’ireo mpandeha tao anatiny kosa no naratra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo.

Araka ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana, nanatri-maso ny zava-nisy dia avy any Ambohitanety ity fiara ity ary hiakatra hihazo ny tampon’Alasora. Teny an-dalana anefa, tamin’iny lalana mihazo an’i Dialambo iny, no tojo tsy fahasalamana tampoka ilay mpamily. « Somary nihinjitsinjitra izay izy ary nidaboka teo amin’ny familiana sy tsy nihetsika intsony » hoy ny filazan’ireo nanatri-maso. Mazava ho azy, fiakarana no sady malama ny lalana, kanefa ny mpamily tsy azo nanentaina intsony. Nihemotra vokatr’izay ny fiara ary io nivarina tao anaty hantsana io nony avy eo. Voalaza fa toa hoe fijanonan’ny fo tampoka no nahazo ilay mpamily ary nitondra azy tamin’ny fahafatesana teo am-pamiliana. Ary izay zavatra izay no nitarika ilay loza : nampitondra fahavoazana ihany koa ho an’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara mpitatitra ity. Ilay fiara, izay marihana fa potika tanteraka. Efa teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nandray an-tanana ny raharaha, ary niara-namonjy ireo niharam-boina, niaraka tamin’ireo fokonolona moa ny mpitandro filaminana tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici