
Nitrangana vono olona mahatsiravina tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana manamorona ny reniranon’i Manampatra iny, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andranovily. Notapahin’ireo nahavanon-doza tanteraka ny lohany ary efa vatana nilon-drano sisa no nampiakarin’ny fokonolona. Raha ny voalaza, dahalo ity farany ary dahalo namany ireo nanapa-doha azy. Mety ho nisy tsy fifankahazoana teo amin’izy efa-dahy mpiaraka ka nahatonga azy telolahy hamono an’ilay namany.
Tamin’io fotoana io fotoana io tokoa mantsy dia nisy nahita ny zava-niseho ary nisy nahafantatra ireo nahavanon-doza. Ny iray tamin’izy ireo, izay nambara fa mpinamana tsy nifankafoy tamin’iry voatapa-doha ary mpiray tsikombakomba tamin’ny asa ratsy, dia voasambotry ny mpitandro filaminana, raha nikasa hangalatra omby tao Vohimasy. Niezaka ny nandositra kanjo voatifitra ary maty.
Nitohy tahak’izay ihany koa ny tantara ho an’ireo roa lahy ambiny. Ny andron’ny nahitàna ny fatin’ilay tapa-doha mantsy dia voasambotry ny fokonolona, tao Etrotroka, Farafangana izy roa lahy ary nentina tany amin’ny zandary. Ny ampitson’io, ny andron’ny zoma dia nezahina nampiakarina tao an-drenivohitr’i Farafangana izy ireo, saingy teny an-dalana dia nanao izay faraherin’izy ireo mba hitsoahana ireo nitondra azy. Voatery nampiasa hery ireo zandary, hoy ny vaovao, nentina nampijanonana azy ireo, rehefa natao ny fampitandremana isan-karazany. Voan’ny bala izy roa lahy ary namoy ny ainy taorian’izay noho ny fahabetsahan’ny rà very. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L