Nitrangan’ny haintrano nahatsiravina tao Mananara avaratra, faritra Ambatosoa, tao amin’ny fokontany Fahambahy, kaominina Manambolosy, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 04 ora maraina efa fifohazan’ny ankamaroan’ny olona tany an-toeranna. Tonga dia namely mafy ny afo ka trano 13 voatery noravana mba tsy nitaran’ny afo. Trano teo amin’ny 09 kosa no tena kila forehitra. Vokatra io firehetana io dia olona manodidina ny 30 eo no tra-boina tsy manan-kialofana, ary efa namoaka tarehimarika ny fokontany fa manodidina ny 55 tapitrisa ariary eo ny tombam-bidin’ny zavatra may tamin’izao haintrano izao. Ny fokonolona ihany no mpamonjy voina namono ny afo ka naharitra adiny roa tany ho any vao maty ny afo tamin’izao haintrano izao. Nambaran’ny mponina fa afo avy any an-dakozia no nipoiran’ny firehetana, ka miangavy tolo-tanana ireo vahoaka tra-boina fa tsy misy ny eo an-tanana ankehitriny. Efa nanao tatitra amin’ny isan’ambaratongany ny sefo fokontany sy ny ben’ny tanàna mikasika ity fahamaizana ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.
Malala Didier