- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversMamavo – Tsaratanàna : Voasambotra ilay miaramila nitifitra raim-pianakavina iray

Mamavo – Tsaratanàna : Voasambotra ilay miaramila nitifitra raim-pianakavina iray

Zava-doza no niseho tany amin’ny tanàna atao hoe Mamavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, izany hoe ato anatin’ny faritra Betsiboka, makasika an’ilay mpitandro ny filaminana, natao hiaro ny vahoaka sy fananany, toa lasa mamono ny vahoaka sy ny fananany indray. Voasambotra tamin’ny andron’ny faha-14 febroary taona 2025 lasa teo iny, ilay miaramila mitondra galona kilasy faharoa, nitifitra raim-pianakavina iray, tao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia fifamalian-dresaka makasika ny asam-pokon’olona no niafara tamin’izao tifitra izao. Nitsoaka nandositra niaraka tamin’ny basiny, ity mpitandro ny filaminana ity no sady nisitrika tamin’ny tokantrano iray. Vao nahare ny zava-nitranga ny kaomandin’ny « Bataillon d’infanterie d’Ambatondrazaka » dia niroso tamin’ny fisamborana an’ilay miaramila nahavanon-doza, ka voasambotra ihany ity farany. Rehefa voasambotry ny namany izy, dia natolotra ny zandary any an-toerana, ary niroso tamin’ny fifanarahana sy ny fomba mety tokony hatao, tamin’ny havany, ireo miaramila sy ny lehibeny.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici