- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversHjra : Telo maty, 132 notsaboina nandritra ny Noely

Hjra : Telo maty, 132 notsaboina nandritra ny Noely

An-jatony ny olona notsaboina tao amin’ny sampan famelomanainan’ny hopitaly Hjra nandritra ny fetin’ny Noely. Raha araka ny tatitra azo teo anivon’io toeram-pitsaboana io, dia nisy olona telo namoy ny ainy teto an-drenivohitra. Ny voalohany dia matin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny roa ambiny kosa, dia noho ny varatra nilatsaka tetsy Ambohimangakely (jereo lahatsoratra etsy ankila). Voatery naiditra hopitaly ny 34 tamin’ireo narary nozahana. Raha oharina tamin’ny taon-dasa, dia nitombo izany isa izany. “Tamin’ny taon-dasa aza dia tsy nisy ny namoy ny ainy, raha telo tamin’ity 2014 ity” raha araka ny fanazavana tsotsotra azo tao amin’ny Hjra. Ankoatr’izay dia nisy olona telo toran’ny toaka. Ny somary nahatalanjona ny maro, dia ny fahafantarana fa ankizy vao 11taona monja ny iray tamin’ireo. Avotra soa aman-tsara ihany io farany rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza teo anivon’ny sampan famelomanaina. Mahakasika ny lozam-pifamoivoizana indray, dia fantatra fa nahatratra 33 ireo naratra vokatr’izany. Ny 22 tamin’ireo dia efa nalefa nody. Tsy nilaozan’izay nisy adiady an-dalam-be ihany koa teto an-drenivohitra, nandritra ny fetin’ny Noely farany teo. Nahatratra 49 ireo olona naratra vokatr’izany. Nisy ihany koa ny tapa-kevitra ny namoifo tao anatin’ny andro fety. Araka ny tatitra azo tao amin’ny Hjra hatrany, dia ankizivavy 13taona no nihinana “nuvan”, fanafody famonoana biby. Tonga ara-potoana teny amin’ny hopitaly izy, ka mba avotra soa aman-tsara. Nilaza ny tompon’andraikitra teo anivon’ny hopitaly, fa feno tanteraka ity toeram-pitsaboana ity nandritra ny andro fety vokatry ny tsy fahampian’ny fandriana hitoeran’ny marary.

Ornella A. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser