- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpiambina matin’ny jiolahy

Toamasina : Mpiambina matin’ny jiolahy

Niantso vonjeo rehefa nahatsikaritra olon-dratsy tao amin’ny toerana arovany, tsarok’antsy avy hatrany no valin’izany. Teratany vahiny no tompon’ny trano ary ity tovolahy erotrerony ity no nampiandraiketina ny fiambenana. Isan-kerinandro dia tsy maintsy misy ain’olona latsaka hatrany ao Toamasina noho ny tsy fandriampahalemana. Na ny jiolahy no voatifitry ny mpitandro ny filaminana na ny olon-tsotra no matin’ny jiolahy. Lasa faritra mena tanteraka amin’ny asan-jiolahy Toamasina satria misesy loatra ny ankitifitifitra ao an-toerana. Efa betsaka ihany izay jiolahy maty izay saingy mbola misy mahasahy ihany, ary tena tsy menatry ny mitifitra na manatsatoka antsy, mamono mahafaty.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici