- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFonjan’Antanimora : Natsahatra ny « maputo »

Fonjan’Antanimora : Natsahatra ny « maputo »

Nafindra kartie miaraka amin’ny maro ireo voafonja ao amin’ny toerana manokana nantsoina hoe maputo. Ny antony dia noho ny fahatsapàna fa mivoy kolikoly sy manome sehatra ny fanavakavahana izany. Nifindra avokoa izany ireo lehilahy izay mba nanana ny maha-izy azy teo aloha, toa ny minisitra, ny manamboninahitra sy ny maro hafa izay mba nilamindamina nahazo toerana manokana teo aloha. Ao anatin’izany koa ireo gadra politika. Tsy ny rehetra no mahazo izany maputo izany rehefa ao Antanimora, satria misy sarany tanteraka, ary sarany tsy hita maso. Mazava ho azy fa manome vahana mivantana ny kolikoly eo anivon’ny fonja izany ka nahatonga ny tompon’andraikitra nanafoana ny maputo, toerana izay efa nisy am-polony taona izay. Nifandraika tamin’ireny disadisa politika teto amin’ny firenena izay nanomboka ny 2009 ny fisian’ny maputo tao Antanimora. Raha nivezivezy nivory tamin’ny famahana ny fifandirana politika tany Maputo ireo olo-ben’ny firenena ary nipetraka tamin’ny hotely raitra, nifanandrify tamin’izay kosa dia nanomboka nahazo solon’anarana maputo kosa ny toerana fametrahana ireo gadra politika manan-katao tao Antanimora. Izay no niandohany ary dia nipetraka ho maputo ny fiantsoana ilay toerana nanomboka teo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici