- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Nohamafisina ny fanantanterahana ny fandriam-pahalemana maharitra

Maevatanàna : Nohamafisina ny fanantanterahana ny fandriam-pahalemana maharitra

Ny andron’ny Atalata faha 18 Febroary taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny valo ora maraina mahery telopolo minitra tany ho any no nanatanteraka ny hetsika fandriam-pahalemana maharitra, amin’ny faritra hifampizaran’ny Boeny sy Betsiboka, ka tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no natao izao hetsika izao. Izay notarihin’ireo kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary any Boeny ny koloneny Randriamahery Faniry sy Lietinà-kolonely Andrianatrehina Dinah, kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, niaraka tamin’ny manamboninahitra sy ny manamboninahitra lefitrin’ny kaompanian’Ambatobeony sy ny filoham-pokontany ny vatan-dehilahy avy any Besisika, Bevilany, indrindra fa ny mponina tao Mangabe. Navoitra nandritra izany ny teboka maro makasika ny hetsika « TAFA, » na tagnamaron’ny fandriam-pahalemana: toy ny fanentanana ny mponina amin’ny TAFA sy ny fanamafisana ny fepetra fiarovana sy fampitombona ny isan’ireo mpitandro ny filaminana eny ifotony, ary ny fitsidihana ny faritra ifanolorana. Teo ihany koa Fanarahamaso sy fanadihadiana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana, fampatsiahivana ny andraikitra sy ny asan’ny Zandarimariam-pirenena. Indrindra ny fanamafisana ny fifampitokisana, eo amin’ny mponina sy ny Zandary mba hahafahan’izy ireo manome vaovao sy manoro ireo olon-dratsy, ary ny mpiray tsikombakomba aminy. Nofarana tsy nisy raorao moa ity fotoam-pivoriana ity, tokony tamin’ny roa ora tolakandro.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici