- Publicité SW45 -
dimanche, février 23, 2025
AccueilFaits-DiversFaradofay : Lakana 12 narendriky ny ranomasina

Faradofay : Lakana 12 narendriky ny ranomasina

Mbola niandriaka ihany ireo mpanjono na teo aza ny andro ratsy. Tafiakatra hatrany amin’ny dimy metatra ny haavon’ny ranomasina. Nitera-doza hoazy ireo izany omaly. Rendrika avokoa ireo lakana 12 isa izay nitondra ireo mpiandriaka. Omaly maraina dia mba nahavita nahazo ny tanety ihany ny sivy tamin’izy ireo raha mbola nifampitadiavana kosa ny telo ambiny. Nitangorona teo amoron-dranomasin’i Libanona ny olona marobe izay tsy nisy azo natao ankoatry ny mijery avy lavitra ary mitrotro am-bavaka ho an’ireo mpiandriaka izay niady mafy mba hanavotana ny aina. Nisy ny lakana izay natopatopan’ny ranomasina ka mbola tonga an-tanety ihany na simba aza, nisy kosa ireo lasan’ny rano ary mbola ifanampiana ny fikarohana azy. Raha ny fihevitry ny olona sasany dia tsy ampy ny fampahafantarana azy ireo ny fisian’ny andro ratsy. Ny ankamaron’ireo mpiandriaka manerana ny Nosy dia miankina amin’izay azony anio no hohaniny anio, na ireo trondro hatao sakafo ara-bakiteny na koa amidy ary hividianana sakafo ny vola avy eo. Sarotra hoazy ireo arak’izany ny tsy hiandriaka isan’andro. Etsy ankilan’izay koa, tsy voatery ho manana radio na fahitalavitra ireo olona ka hahalala ny vaovao momba ny toetry ny andro. Ilaina arak’izany ny midina eny amoron-dranomasina izay fiaingan’izy ireo ary mampahafantatra ny loza mety hitranga rehefa misy andro ratsy. D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici