- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Mpanao gazety voafira antsy

Ampasampito : Mpanao gazety voafira antsy

Izy hamonjy fodiana no nifanehatra tamin’ny mpanendaka tetsy Ampasampito. Ankoatra ny fangalàna ny fitaovana rehetra sy ny vola teny aminy dia mbola noratrain’ireo tamin’ny zava-maranitra koa ilay rangahy. Mpanao gazety io farany ary avy namita iraka tany amin’ny faritra Vakiniadiana. Efa mba niaraka tamin’ny voan-dàlana kely sy ny sisa no nivoaka tampoka tao anaty maizina ny jiolahy. Tsy nisy namelan’ireo izay rehetra teny aminy, eny hatramin’ny karatra maha-mpanao gazety aza. Noho ny ratra nanjo azy dia voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana haingana izy. Ny tranga toy izao dia mbola manaporofo hatrany fa anjakan’ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ny mpanao gazety izay matetika mody alina noho ny asany dia isan’ny tena miady aman’aina isan’andro. Efa betsaka izay niharan’ny herisetra izay kanefa tsy afa-miala aloha satria izay no fandaharam-potoanan’ny asa. Misy ihany ny orinasa sasany izay manakarama olona manokana, ankoatra ny mpamily miasa alina, manatitra ny mpiasa an-gazety hatreo an-tokonam-baravarany mba ho fiarovana ny aina. Vitsy ihany anefa no mahavita izany ary dia samy miaro ny tenany rehefa sendra ny ratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici