Niakatra fitsarana ambaratonga voalohany teto Toamasina ireto mpianatra 17 isa niaraka tamin’ny ray aman-dreniny ny alatsinainy teo. Saika mpianatra tsy ampy taona avy aminy sekoly iray tsy miankina eo Tanamakoa avokoa izy rehetra, ka fandratrana sy daroka mpianatra no nampiakatra azy ireo fitsarana noho ny fitoriana nataona mpianatra ihany, izay voaheloky ny lalana andininy faha-311. Saika zava-doza no niseho taminy adin’ireto mpianatra satria tsy vitan’ny daroka sy totohondry ary daka ihany no natao, fa nampiasa fitaovana hafa ireto mpianatra dia ny “compas”. Raha ny fantatra mantsy dia nahavoa ny teo ambony mason’ilay mpitory ilay “compas” nampiasaina, ka teo mihitsy no nahatonga ny ray aman-drenin’ilay ankizy naratra nitory tamin’ny fitsarana izao. “Tsy mbola nanitsaka izany fitsarana izany, sy tsy mbola nijoro teo anoloan’ny mpitsara izany ny tenako fa noho ny ditran-janako ihany no nidirako tamin’izany”, hoy ity renim-pianakaviana nanan-janaka niakatra fitsarana noho ny ady ity. Samy nohainoana avokoa ireo ankizy 17 sy ny ray aman-dreniny izy ireo avy, nohainoana ihany koa ny mpitory sy ny ray aman-dreniny, nohainoana ihany koa ny mpisolovava ny andaniny sy ny ankilany ary ny fampanoavana. Noho izany nandray fepetra ny fitsarana fa ny 24 martsa ho avy izao no hamoaka didy mikasika ity raharaha ity. Ankoatra izay dia maro ny resa-be tao haorinan’ity fitsarana ity, satria raha ny firesaky ny olona dia ny ray aman-dreny ihany no mahatonga ny zaza maditra amin’izao. Ao kosa ireo milaza fa be loatra ny sarimihetsika hitan’ny ankizy, ka ireny no halain’ny tahaka satria heveriny fa azo ampiharina amin’ny fiainana an-davanandro, indrindra ireo sarimihetsika mampiseho herisetra. Ny tsy azo lavina aloha dia miakatra foana ny isan’ireo zaza tsy ampy taona miandry fitsarana am-ponja eto Toamasina, satria efa tafakatra 23 sahady izy amin’izao volana febroary izao.
Malala Didier