- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Noely : Am-polony maro no nohadihadiana tany amin’ny pôlisy

Fetin’ny Noely : Am-polony maro no nohadihadiana tany amin’ny pôlisy

Nilamina amin’ny ankapobeny ny fetin’ny krismasy teo, raha ny teto an-drenivohitra manokana, araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana, omaly nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny “Hotel de police Tsaralalàna”. Na dia izany aza dia nisy ireo trangana fandikan-dalàna isan-karazany ka tsy maintsy nandraisan’ireo pôlisy andraikitra. Olona niisa teo amin’ny 36 teo no tsy maintsy nentiny nohadihadiana tsotra tetsy Tsaralalàna, raha ny fantatra hatrany, noho tsy fisian’ny taratasy manondro ny mombamomba azy ireo. Nandritra iny fety iny dia nahatratra teo amin’ny 50 teo ny isan’ny antso avy amin’ny olon-tsotra azon’ny mpitandro filaminana mikasika ny olona mampiahiahy teny amin’ireo toerana isan-karazany teto an-drenivohitra, ka nandefasana pôlisy hizaha ifotony ny tena zava-misy marina. Nahatratra teo amin’ny 12 teo ireo olona voatery notanana noho ny hamamoana be loatra teny an-dalambe, olona telo kosa no nametraka fitoriana teny amin’ireo mpitandro filaminana noho ny ratra sy vono nahazo azy. Fantatra ihany koa fa olona miisa efatra no voatery nosamborina noho ny fanakorontanana tamin’ny alalan’ny ady eny an-dalambe. Tetsy andanin’izay, natao tsara fiambenana avokoa ireo fivarotana lasantsy teto an-drenivohitra, nalaza mantsy fa hisy hanafika ireo fivarotana ireo. Teo amin’ny lafiny fifamoivoizana dia nambaran’izy ireo fa niisa dimy ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto an-drenivohitra nandritra iny fetin’ny Noely teo iny. Tsy nisy kosa ny aina nafoy vokatr’izany fa olona iray no naratra mafy vokatr’izany. Inoana fa mba hilamina torak’izay ihany koa ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taom-baovao. Na izany na tsy izany anefa dia efa vonona hatrany ireo mpitandro filaminana hifehy ny fandriam-pahalemana, hahazoan’ny tsirairay mifety am-pilaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser