- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsy nahaloa trosa : Novonoina ho faty ny zanany

Tsy nahaloa trosa : Novonoina ho faty ny zanany

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana ity zazavavy kely vao 8 taona monja, tao Mahatrea Manambidala, any amin’iny distrikan’i Vondrozo iny. Ny tompon’antoka teto dia voalaza fa jiolahy rain-dahiny any amin’iny faritra iny ary efa mpamerin-keloka sy tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony. Marihina fa tsy tao anaty fanafihana akory no nahafaty ity zaza ity fa niniana novonoina tsotra izao : satria nananan’ny rain’ity dahalo ity trosa ny rain’ilay zaza. Tsy voaloa ilay vola ka ilay zanany no nanaovana valifaty. Tranga niseho ny ny herinandro lasa teo ity tranga ity izay niteraka savorovoro tany an-toerana. Nisy avy hatrany ny fandefasana mpitandro filaminana maro tany an-toerana, nentina nandamina ny toe-draharaha sy ny nanaovana hazalambo ilay nahavanon-doza. Tsy niandry ela fa roa andro taorian’io dia voasambotra ity farany. Tamin’ny famotorana azy no nilazàny fa nisy namany hafa, izay niaraka nanao ny famonoana niaraka taminy. Nentina hanoro ny toerana nisy ity voalaza fa namany ity moa izy saingy teny an-dalana no nanita-kevitra ny hitsoaka. Voatery nitifitra ireo zandary, nandratra ity mpamono olona ity saingy mbola tafatsoaka hatrany ingahirainy ary nitsambikina tao anaty hantsana tsy lavitra teo. Vatana efa tsy nisy aina intsony moa no hitan’ny zandary tao anatin’io hantsana io taorian’ny fikarohana. Any an-toerana dia mbola manohy ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana. Miaraka amin’ny hazalambo atao amin’ity olona iray voalaza fa naman’ilay dahalo rain-dahiny maty ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici