- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversDepot Toamasina : Mpampanofa basy amin’ny jiolahy matin’ny polisy

Depot Toamasina : Mpampanofa basy amin’ny jiolahy matin’ny polisy

Mpampanofa basy amin’ny jiolahy iray eto Toamasina lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny alahady 09 marsa teo. Araka ny fanazavana voaray dia nifanao fotoana ilay mpampanofa basy amin’ny jiolahy sy ireo jiolahy mpampanofa ny basy tao Depot Analakinina no fotoana tamin’io, izay efa araky ny mpitandro ny filaminana ny fomba fanaony ka efa naraha-maso ity lehilahy iray ity. tonga tamin’ny fotoana nifanaova amin’ny fampanofana ny basy ilay lehillahy sy ireo jiolahy, saingy vao nahatazana ireo polisy efa nanara-maso azy ireo dia avy hatrany dia nitifitra. Voatery namaly bontana koa ny polisy ka teo no nahalavo ilay lehilahy mpampanofa basy. Ilay jiolahy mpanofa ny basy kosa tafatsoana nandritra izany nefa raha nifanenhena tsy hita izay nalehany. Naterin’ny polisim-pirenena teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ilay mpampanofa basy amin’ny jiolahy maty miandry ny havany haka azy. Nilaza ny polisy fa mitohy hatrany ny fametrahana filaminana eto Toamasina, ka izay no antony famindran-toerana nahazo ny kaomiseran’ny “police central” sy ny komandan’ny FIP, taorian’ilay vono olona nitranga teny Ambolomadinika farany teo izay nampisy resa-be momba ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, izay teraka tahotra ho an’ny vahoaka.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici