- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Fankalazana ny 8 Martsa 2025, nahazo fanampiana ireo vehivavy voafonja 

ANTSIRABE : Fankalazana ny 8 Martsa 2025, nahazo fanampiana ireo vehivavy voafonja 

Ny zoma 7 Martsa no efa nanomboka tamin’ny fanamarihana ny adro maneran-tany ho fanajana ny zon’ny  vehivavy ny teto Antsirabe, nisy ny diabe nataon’ireo andiana vehivavy avy amina fikambanana maro, orinasa samihafa sy mpiasam-panjakana, mpianatra namakivaky ny tanana, narahina fizaham-pahasalamna, fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy nono izany.

 Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fihofanana mahakasika ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Nofaranana tamin’ny vavaka iraisam-pinona ny hetsika ny datin’ny 7 Martsa 2025 io tao amin’ny FLM Antampotanana Antsirabe.

Nitohy ny hetsika ny datin’ny 8 Martsa 2025, diabe hatrany no nanombohana ny hetsika notarihan’ny Rtoa Rafanjarinivo Prisca Marius filohan’ny fikambanan’ny vehivavy 8 Martsa eto Vakinankaratra. Ny tolakandro kosa ny hetsika ara tsosialy, namangiana ireo vehivavy voafonja ka tamin’izany no nanolorana azy ireo lamba firakotra, sy lamba fitafy, vary sy menaka ary fitaovana  ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka hiatrika fiterahana.

Andry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici