Tratran’ny tompon-trano tao an-tranony ity lehilahy iray efa malaza mpangalatra ao Analakinina hopitaly be ity. Raha ny fanazavana dia tsy tao an-trano ilay rangahy tompon-trano, saingy tao anatin’izay dia niditra taloha tao an-trano ary niafina ilay jiolahy miandry ny olona matory dia hamaky ny trano. Saingy tsy nahomby ny tetika satria tonga aloha ilay rangahy nivoaka, ka tratrany tao an-trano ity mpangalatra ity. avy hatrany dia niantso fokonolona ilay rangahy, saingy nanao fialan’ny jiosa ilay mpangalatra ka nilaza fa sakaizan’ny vadin’ilay rangahy ity izay no nidirany taloha tao an-trano. Vao maika romotra ilay rangahy ka nanenjan-tsandry taminy ary niantso fokonolona ihany koa, satria ny tanjona ho azy dia ny ampiady ireto mpivady nefa efa fantatry ny olona an-tanana fa mpangalatra izy ary ny tokontaniny dia ny an Analakinina hopitaly be mihintsy. Tsy nahomby aloha ny tetiny teto satria efa hain’ny olona ny fomba fiasan’ity jiolahy ity amin’ny fidirana aloha ao an-trano tiany hangalarana ary miandry olona matory vao mamely amin’izay. Efa eny an-tanany mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny.
Malala Didier