- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Fakàna an-keriny, olona efatra nampidirina am-ponja

Ankazobe : Fakàna an-keriny, olona efatra nampidirina am-ponja

Natolotra ny Fampanoavana ny zoma lasa teo ireo olona efatra voarohirohy tamin’ilay resaka fakàna an-keriny, niseho teny Ankazobe, ny voalohan-dohan’ny volana desambra lasa teo. Taorian’ny fakàna am-bavany nataon’ireo mpitsara mpanao famotorana dia samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona efatra ireo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Raha tsiahivina ity resaka ity dia raim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany lahy 9 taona no nalain’ny jiolahy an-keriny rehefa avy nandroba tao amin’ny tanana antsoina hoe Anosikely ireto olon-dratsy mirongo fiadiana ireto. Taty aoriana anefa dia navotsotr’izy ireo ilay raim-pianakaviana raha notanany kosa ilay ankizikely. Taorian’ny fanomezana ny vola 14 tapitrisa ariary ho takalon’ity ankizy ity dia fantatra fa nalefany ihany koa izy io. Fotoana fohy kely taorian’izay no nahazoan’ny mpitandro filaminana loharanom-baovao, ny mikasika ireo jiolahy ka nahafahana nisambotra ny lehilahy iray, voalaza fa isan’ny nandray anjara tamin’ilay fangalana an-keriny. Tratra tamin’izany tao Ankazobe ihany ny lehilahy iray, niaraka tamin’ny sakaizany. Mbola nahitana basy sy ody gasy marobe ihany koa tany amin’ity olon-dratsy ity. Ity farany no nahafahana nisambotra ireo namany hafa ka ireo natolotra ny Fampanovana ireo. Fantatra fa mbola misy ny naman’ireto jiolahy ireo miriaria any ary efa mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser