- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka etsy sy eroa : Tompon’andraikitra ambony teo aloha sy manamboninahitra iray...

Sakoroka etsy sy eroa : Tompon’andraikitra ambony teo aloha sy manamboninahitra iray no voalaza fa ao ambadika

Tato ho ato tokoa izay, dia tsapa fa toa nisesisesy be ireo sakoroka sy firongotr’ireo mponina tamina faritra maromaro teto amintsika, raha tsy hiteny afatsy ny tany Morondava sy Toamasina farany teo. Ireo fihetsiketseham-bahoaka ireo dia saika nahafaty olona sy nahasimbana  orinasa roa goavana. Efa nandeha ny fanadihadiana momba ireny tranga ireny. Voalazan’ny loharanom-baovao akaiky ny zandary, fa korontana efa voaomana mialoha ary natao indrindra mba hanozongozonana ny fitondrana ankehitriny sy hanakorontanana tsotr’izao ny fiainan’ny vahoaka ireny tranga ireny. Raha ny mikasika manokana an’ilay raharaha Toamasina farany teo, dia nambaran’ireo loharanom-baovao hatrany fa olona maromaro mahery fihetsika avy aty an-drenivohitra no nokaramaina hidina tany an-toerana hilaza ho toy ny mpianatra, ka hanakorontana. Tamin’ny fanadihadiana ireo olona ireo no nanondron’izy ireo ny manamboninahitra iray, nanana andraikitra ambony teo amin’ny filaminana teo aloha, niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana teo aloha ihany koa, ho naniraka azy ireo. Tamin’izany no nahalalana fa mbola ireo olona ireo hatrany no nikotrika iny korontana tany Morondava iny. Fantatra ambonin’izany fa mety mbola hikasa hanetsika sy hanakorontana ny any Mahajanga sy Fianarantsoa ihany koa ireo olona ireo raha ny fanazavana hatrany. Momba an’ilay olona voatifitra namoy ny ainy iny kosa dia nanazava hatrany ity loharanom-baovao ity fa mpangalatra saika hanao ny asa ratsiny io olona io no nandraisan’ireo mpitandro  ny filaminana fepetra. Ary nifanandrify tamin’ny fisian’ilay sakoroka izany hetsika izany. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana entina hitandroana, toy ny anakandriamaso, izany fandriampahalemana izany ka mampitandrina, sahady dieny ety am-boalohany izany mety ho fikasan-dratsy hataon’ireo olona ireo izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser