- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Vehivavy nalaina an-keriny navotsotry ny jiolahy

Tsaratanàna : Vehivavy nalaina an-keriny navotsotry ny jiolahy

Tsy dia fantatra mazava na nisy lelam-bola ho takalon’ny famotsorana sy vokatry ny fanamparitahana Zandary marobe any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna no antony nahavotsotra an’ilay vehivavy iray nataon’ireo malaso takalon’aina nandritra ny tapa-bolana na tsia. Satria tsy nahenoana vaovao marin-pototra mihitsy ny fianakavian’ilay vehivavy 55 taona nalain’ny jiolahy an-keriny. Raha hotantaraina tokoa ny zava-nitranga dia jiolahy tsy voafaritra isa no nanatanteraka ny fakana an-keriny tao amin’ny tanàna atao hoe: Ambodisakoana, fokontany Mandribe, kaominina ambanivohitra Manakana, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka ny alin’ny faha 11 febroary taona 2025 teo iny. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia ny faha 07 marsa 2025, tokony tamin’ny dimy ora mahery telopolo minitra tany ho any no navotsotr’ireo malaso, tao amin’ny fokontan’Andranonampanga, kaominina ambanivohitra Ambakireny, ilay vehivavy nalaina an-keriny, fantatra amin’ny anarana hoe: Jeanine teraka tamin’ny 29 Oktobra taona 1970, tao Ambakireny. Ny marainan’ny Asabotsy faha 08 Marsa taona 2025 izy no tonga soa-amantsara, teny amin’ny fianakaviany, tokony tamin’ny mitataovovonana tany ho any. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa tsy misy takalon’aina intsony ny an’ireo malaso nandritra ny fakana an-keriny niseho nanomboka ny volana Desambra taona 2024 lasa teo iny sy ny amin’ny volana Marsa taona 2025 makaty.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici