Nafenin’izy mivady (raibe sy renibe) tanteraka ilay filan-dratsy izay fanaon’ilay dadabe amin’ny zafikeliny efa ho telo taona nisesy. Lehilahy lehibe efa 71 taona no voasambotry ny polisy tany Tsaramandroso-Ambony noho io antony io. Efa nanomboka ny taona 2022 izy no nanao izany ary nitohy hatramin’izao. Fantatr’ilay renibe izany saingy nafeniny ary norarany tanteraka ilay zazavavy sivy taona tsy hitantara na amin’iza na amin’iza. Fantatry ny maman’ilay zazavavy ihany anefa izany nony farany rehefa nitaraina tany aminy ilay zazavavy. Saika tsy nino ihany izy saingy rehefa nipetraka ny fanahiany noho ny fiovan’ny vatan-janany sy ny toetoetrany dia nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy. Nosokafana ny fanadihadiana ary voaporofon’ny mpitsabo tokoa fa voaolana ilay zazavavy. Nosamborina arak’izany ilay rangahibe ary nidoboka am-ponja vonjimaika rehefa nandalo fampanoavana tao Mahajanga ny raharaha. Ny raibe sy renibe izany no isan’ny atokisana indrindra amin’ny filokoloana sy fiarovana ny zaza, ireto tany Mahajanga ireo anefa dia nivaona tanteraka ary niray tsikombakomba tamin’ny ratsy, nanimba ny zafikeliny.
D.R