- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversCHRR Antsohihy : Mitaky ny fanesorana ny talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka

CHRR Antsohihy : Mitaky ny fanesorana ny talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka

Nilanja sora-baventy izay mitaky ny fanesorana ny talem-paritra ny Fahasalamam-bahoaka ireo dokotera sy ny mpitsabo mpanampy. Efa sangy mihoatra ny loha hoy izy ireo ny zava-misy iainana ao amin’ny hôpitaliben’Antsohihy (CHRR). Efa sangy mihoatra ny loha hoy ireo zava-misy hiainan’izy ireo ao amin’ity CHRR ity an-kehitriny, manoloana ny zavatra hataon’ny talem-paritra ny fahasalam-baohaoka any amin’ny faritra Sofia. Tsy misy fanajana amin’ny maha olona, fa fanambaniana sy fandrahonana no mba ambetin-dresaka rehefa mitaraina izahay no afindra toerana any Tsihombe, raha ny fitarainan’ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy nilanja sora-baventy, teo anolona ny vavahady, izay mitaky ny fanesorana ny talem-paritra CHRR any Antsohihy. Manoloana ny savorivory misy any an-toerana dia niantso ny andaniny sy ny ankilany ny talem-paritra fahasalam-baohaoka Sofia, mba afahana mandamina ny raharaha sy manohy ny asa ho fitsinjovana ny fahasalamany tsirairay avy, izay tonga manantona ny toeram-pitsaboana. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa mbola tsy milamina ny toe-draharaha misy any an-toerana an-kehitriny, fa saingy manohy ny asany ny andaniny sy ny ankilany, mandram-pahitana ny vahaolana maharitra sy handravonana ny disadisa misy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici