- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIkalamavony : « Mayonnaise » simba, mpivady maty

Ikalamavony : « Mayonnaise » simba, mpivady maty

Fito mianaka izy ireo no tao an-trano ary mba nanao sakafo noheverina ara-pahasalamana. Mba nasiana legioma, vary sy laoka ary “composé”. Teo amin’io farany anefa no nitera-doza rehefa tsy tomombana ny “mayonnaise” izay nampiasaina. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Kirano, ao Ikalamavony no niseho ity fahapozinana ara-tsakafo ity. Ny alarobia hariva no nanomboka narary avokoa ireo olona tao anatin’ilay ankohonana. Voatery naiditra hopitaly ary ny ampitson’iny no namoy ny ainy ny raim-pianakaviana. Tsy izany ihany no niseho fa fotoana fohy taorian’izay dia maty koa ramatoa. Ireo zanak’izy mivady kosa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny toeram-pitsaboana ary arahi-maso tanteraka ny fivoaran’ny fahasalamany. Koa satria nisy ny fahafatesana dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary teo anivon’ny zana-tobim-paritra Ikalamavony. Niteraka resa-be avy hatrany tao an-toerana ity tranga ity kanefa nilamina ny filaminam-bahoaka rehefa nazava ny nanjo ireo olona. Miteraka tsy fahasalamana ary indraindray fahafatesana mihitsy aza ny sakafo tsy tomombana izay antsoina hoe fahapozinana ara-tsakafo. Hatrany amin’ny faran-tampon’ny fitondràna aza dia vao avy nisedra izany ary niteraka hatramin’ny fanidiana ny toeram-pisakafoanan’ny hotely lehibe iray izay nikarakara ny sakafo. Matetika dia eo amin’ny manodidina ny “mayonnaise” tsy tomombana hatrany no tena mitera-doza. Eo indrindra no mila fampianarana ny olona ary tokony ho raisin’ny departemantan’ny ministera izay voakasik’izany ho andraikitra izany satria be loatra ireo olona izay miditra hopitaly ary mitondra takaitra noho ny fahapozinana ara-tsakafo izay tsy nahy.   

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici