Lasa ny moto. Nipitrapitra fotsiny sisa no azon’izy telo mianaka natao. Na niantso vonjeo aza, vetivety foana dia nanjavona ny kodiaran-droa ary ny andro rahateo efa alina. Tetsy Ankadindramamy, raha nandeha moto nanao taingin-telo ireo olona no nisy moto iray faharoa ary nanao herisetra tamin’ireo. Tsy nisy afa-tsy ny moto no nalain’ireo olon-dratsy ary poa toa izay izy ireo dia nanjavona tao anatin’ny alina. Manodidina ny tamin’ny sivy ora no nitrangan’ny fandrobàna ary roalahy izay mandeha moto ihany koa no tompon’antoka. Teren’izy ireo tsikelikely ny moto hangalarina ary raha vao mianjera mivoaka ny lalana dia efa azy izay. Ankehitriny izany dia moto eny am-pandehanana koa dia efa misy mitily sy mangalatra na dia eo aza ny tompony.
D.R