
Manao ny ezaka manafoana ireo andian-jatovo mivondrona amina fikaminana na fantatra amin’ny anarana hoe “Clan” eto Toamasina ireo polisim-pirenena, mpisahana ny filaminam-bahoaka an-tanan-dehibe. Ny fiandohan’ny herinandro teo sy ny faran’ny herinandro teo mantsy dia nahitana andian-jatovo mifanenjika amin’ny antsy teto Toamasina, izay nitranga tao Mangarano, nataon’ny “THE ONE”. Vokatr’izany dia voatery niditra an-tsehatra ireo polisim-pirenena tao anatin’izany nisorohana ny faty olona indray teto Toamasina. Zatovo valo no voatery nosamborina tao anatin’izany tamin’ity “clan THE ONE” ity, ka nisy ny vehivavy tao anatin’izany. Tsy fantatra ny tena anton’ity fifanafihana ity, saingy azo inoana tsara, hoy ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR sy ny FIP, niara-nisalahy nanao ny fisamborana, fa resaka vehivavy ny anton’izao fifanenjehana amin’ny antsy izao. Saika mpianatra ao Mangarano sy Ambalamanasy ary Andranomadio avokoa izy rehetra ireto. Tsy azo ekena ny tahaka izany satria mahatonga tsy filaminana an-tanana ireto karazana “clan” na tanora ireto, noho izy ireo mitondra fitaovam-piadiana, antsy, ao anatin’izany. Nambaran’ny talen’ny polisim-pirenena eto Atsinanana fa efa maro ihany ireo karazana “clan” nosamborina izay, saingy miha-maro koa ireo mitsangana any amin’ny fokontany sy ny sekoly samy hafa any, izay misy mihitsy ny “fatodrà” atao mandritra ny fidirana ao anatiny, fa tsy hisaraka sy tsy hifamela amin’ny sarotra ny mpikambana ao anatiny.
Malala Didier