- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Mpamaky trano nikasa hanao kolikoly rehefa azo

Ambohimalaza : Mpamaky trano nikasa hanao kolikoly rehefa azo

Avy namaky trano tany Antsirabe ary nitsoaka aty an-drenivohitra. Nandalo an’Ambohimalaza, nandeha an-tongotra, amin’ny roa maraina. Nieritreritra ny tsy nisy nahita saingy nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana tao an-toerana. Napetraka ny fanontaniana tsotra ary namaly ilay tovolahy fa avy nihazakazaka maraina. Teo dia efa nampiahiahy ireo mpitandro ny filaminana ny momba azy. Natao ny fisavàna kara-panondro ary tsy nisy teny aminy. Nitombo hatrany ny fanahiana teo. Voatery niditra tamin’ny fisavàna ny sakaosinu. Vola no tao anatin’izany ary mitentina telo tapitrisa mahery. Teo ihany dia nibaradaka ilay tovolahy ny amin’ny nahazoany ireo vola dia ny halatra tany Vakinankaratra izany. Tsy niandry fakàna am-bavany arak’izany dia efa nivoaka ny marina momba azy. Teny an-dàlana indray, rehefa nentina nankany amin’ny biraon’ny borigadin’Ambohimalaza dia niezaka nandamina ilay mpangalatra. Izany hoe, narosony ny hizara sasaka amin’ireo zandary, momba ny vola teny aminy. Tsy nanaiky ireo mpitandro ny filaminana ary teo ihany koa dia notazomina tamin’ny teniny izy ary niampy ny vesatra nitazomana azy dia ny fikasàna hanao kolikoly amin’ny mpitandro ny filaminana izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici