- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversParis : Mpianatra malagasy voatsatoka antsy

Paris : Mpianatra malagasy voatsatoka antsy

Nisy fifandirana ary nikasa ny nandamina izany ity tovolahy no izy indray no voatsatokantsy. Ny alin’ny asabotsy teo no nisehoan’ity herisetra ity teo amin’ny toerana antsoina hoe Denfer-Rochereau, ao amin’ny boriborin-tany faha-14 ao Parisy. Mpianatra momba ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena eny anivon’ny oniversite iray ao an-toerana ity tovolahy 23 taona ity. Naratra mafy ary voatery nodidiana satria nisy lalan-drà tapaky ny antsy ary koa nisy taova voakasik’izany. Omaly dia mbola tsy nahatsiaro tena izy ary mbola miady mafy mba ho velon’aina. Efa nisy kosa ny fisamborana izay nataon’ny polisy mahakasika ity raharaha ity. Olona roa no efa nanokafana fanadihadiana. Raha ny fantatra dia nisy tsy manan-kialofana izay saika handroba mpivady izay nitondra alika nandehandeha harivariva. Voaambana antsy anefa ireo ary teo ilay tovolahy no niditra an-tsehatra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici