Matimaty fahatany ity tovolahy 19 taona mbola mpianatra taona famaranana amin’ny sekoly iray tsy miankina eto Toamasina renivohitra monina ao Tanambao Verrerie ity. Niharan’ny fitsaram-bahoaka mantsy ny tenany raha noheverin’ireo olona nidaroka azy andiana mpangalatra mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery ny tenany. Araka ny zava-nisy dia nivara nianatra ny tenany ka sendra tao anatin’izay indrindra nisy olona roa lahy nanao fanendahana tamin’ny lalany nandeha nody satria nitsoaka tamin’ny lalany ireto mpanendaka. Tao anatin’izay anefa no nifanenjehan’ny olona ireto mpanendaka ka tojo azy avy niarava nianatra ireto olona nanenjika jiolahy, tsy nisy ny fanontaniana fa tonga dia daroka avy hatrany ny nahazo azy fa hoe “mpanendaka” izy. Nandritra izany anefa dia mbola teny an-tanany ny laza adiny avy nanaovany fanadinana tany am-pianarana, nefa nilaza ireto mpanenjika fa mbola namany ireo mpanendaka ny tenany dia niaritra daroka teo ny tenany na efa nilaza aza fa tsy fantany ireo mpanendaka nitsoka, ary tsy nijanona raha tsy nalemy ilay tovolahy izay nitarika ny fahafatesany izao. Raha ny fanazavana hatrany vokatry ny daroka nahazo azy mafy loatra, dia teo amin’ny tohatry ny filoham-pokontany Mangarivotra avaratra 11/41 no niala iana ilay tovolahy mbola mpianatra famaranana. Nentina tamin’ny CSB II Tanambao Verrerie ihany fa tena efa maty izy no tonga teny hoy ireo mpitsabo. Vokatra izao zava-niseho izao dia milaza ny hitory ny olona nidaroka ny zanany ny rain’ity tovolahy mpianatra matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny endrikendreka ity, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha fitsaram-bahaoka nahafaty olona tsy fidiny ity.
Malala Didier