- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana sy famonoana zaza : Roa lahy voasambotry ny polisy

Fanolanana sy famonoana zaza : Roa lahy voasambotry ny polisy

Hipetrahan’ny ahiahy tanteraka izy roalahy ireo, tamin’ny resaka vono olona niharo fanolanana ankizivavy kely tao Ambohimahasoa tao. Nosamborina avy hatrany izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena fa ahiana ho tompok’antoka tamin’io raharaha io. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo dia nitrangana fanolonana naharana vono olona mahatsiravina nitranga tao Ambohimahasoa tao. Ankizivavy kely no lasibatra, izay nanamparan’ireo tsy valahara ny filan-dratsiny mihitsy nialohan’ny namonoana azy tamin’ny fomba feno habibiana. Potika tanteraka ny fivaviany, hoy ny mpitsabo nizaha ny razana ary tsatok’ants maromaro no hita teny amin’ny lohany. Marihana fa nalain’ireo olon-dratsy an-tsokosoko tao antokantranony, ary nobatain’izy ireo, raha mbola teo am-patoriana ity ankizy ity, tamin’ny fotoana tsy nahateo ny rainy. Ny maraina ny alakamisy teo no nisy nahita ny vatana mangatsiakany, efa voaviravira tanteraka. Nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka izao nahatratrana azy roalahy ireto izao. Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra amin’izao ary heverina fa hipoitra tsy ho ela ny marina.

m.L

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici