Eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava no hotsaraina ireo olona am-polony izay voarohirohy ho isan’ny nandray anjara mivantana na an-kolaka ny mpitsara Rakondravony Henri. Io farany dia mpitsara mpanampy teo anivon’ny Fitsaràna ambony Mahajanga ary niakatra namita iraka teto an-drenivohitra no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny volana jiona 2024. Teo Antsahadinta no nalevin’ireo olon-dratsy ary ny fanadihadiana izay notontosain’ny BC no isan’ny nahitàna ny razana. Taorian’izay dia olona maherin’ny 15 no nosamborina sy nanokafana fanadihadiana. Nidoboka am-ponja (Tsiafahy sy Antanimora) taorian’izay ary nisy vehivavy tao anatin’ireo. Raha hiverenana dia nividy fiara teto an-drenivohitra io mpitsara io tao anatin’io vanim-potoana io. Azo heverina fa ny vidin’izany izany nentiny nanaraka azy no nalain’ireo olon-dratsy ary niteraka ny famonoana azy. Ankehitriny no handeha ny fitsaràna ady heloka bevava ary mety ho eo anivon’izany koa no hivoaka ny marina momba ity raharaha ity. Etsy ankilan’izany mantsy dia nitondra valim-pifidiana ho eto Antananarivo no isan’ny iraka nataony kanefa ny mpanara-baovao dia mahatsikaritra fa mety tsy dia misy hidiran’izany loatra ilay heloka bevava fa koa mizotra any amin’ny famonoana ho faty noho ny volabe vidin’ny fiara. Maro ny manaraka ity raharaha ity, indrindra eo anivon’ny tontolon’ny Fitsaràna izay naharary azy ireo ny fahafatesan’ny mpiara-miasa, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Mitodika amin’ity raharaha amin’ny alarobia ity ny mason’ny maro.
D.R