- Publicité -
dimanche, novembre 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka Maevatanàna : Notolorana maripankasitrahana ny kaomandin'ny vondron-tobim-pileovan'ny zandary

Betsiboka Maevatanàna : Notolorana maripankasitrahana ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny andron’ny zandarimariam-pirenena malagasy ny faha-02 Aprily taona 2025 teo, satria lanonana telo sosona no nanamarihana izany teto amin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka. Nandritra izany dia nisy hatrany fametahana mariboninahipirenena isan-tsokajiny ho an’ireo Zandary sy ny fanolorana maripakasitrahana, ary ny fanaovam-beloma ihany koa ireo Zandary misotro ronono. Anisan’ny nanamarika izany ny fanomezana maripakasitrahana nataon’ny Goverinora mpisolo toerana ho an’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka noho ny ady nataony tamin’ny trangana tsy fandriam-pahalemana niseho tao anatin’ny faritra iadidiany . Indrindra ny firongatry ny trangana fakana an-keriny na « kidnapping, » tany amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny, izay nisesisesy tao ho ao izay, saingy efa tsy nahenoana feo intsony ankehitriny taorian’ ny fidinana ifotony nataon’io tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana voalaza etsy aloha io. Taorian’ny fanolorana maripakasitrahana mendri-piderana nataon’ny Goveronora Goverinora mpisolo toerana aty amin’ny faritra Betsiboka dia nitokana ny biraon’ny Zandary nohavaozina ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovana aty an-toerana. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny lanonana rehetra nandritra ny fanamarihana ny andron’ny Zandarimariam-pirenena malagasy dia teo ambany fitarihin’ny Lietinà-kolonely Andrianatrehina Hando Dinah kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici