- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbendrana-Bekapaika: Efa hitan'ny Zandary sy ny vatan-dehilahy tany anaty akata ny omby...

Ambendrana-Bekapaika: Efa hitan’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy tany anaty akata ny omby tsarety roa nisy nangalatra

Rehefa naheno ny fahaverezan’omby tsarety roa, tao amin’ny tanàna atao hoe: Ambendrana, fokontan’Ambodivala, any amin’ny kaominina ambanivohitra Bekapaika, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Bekapaika dia nanampy ny vatan-dehilahy sy ny mpitondra sarety, tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia tsy nisy hatak’andro. Ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana no nahalalana fa hita teny atsimon’ny tanànan’Ambendrana, tokony tamin’ny 11 ora atoandro ny Zoma lasa teo,  tany akaikin’ny tanàna atao hoe: Befanoro, fokontan’Ambodivala, sady nahazo amoron-drano sy tafiditra tao anaty akata, izay somary halavitra ny toerana nisehoan’ny halatra ny omby tsarety roa. Saingy tsy tratra teo ihany koa ny jiolahy tsy voafaritr’isa nitondra izany. Raha hiverenana hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga dia sarety niisa fito no niala avy any sampanan-dalana Tsaratanàna, izay  handeha hihazo any Tsaratanàna an-tampon-tanàna, ka rehefa tonga teo amin’ny tanànan’Ambendrana dia nahandro sakafo sy variana nihinam-bary, izy ireo no lasa tamin’izay ny omby tsarety roa.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici