dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversFort-dauphin : Efadahy nahatratrarana taola-paty tapa-gony

Fort-dauphin : Efadahy nahatratrarana taola-paty tapa-gony

Raha somary nitsahatra kely ny setrasetran’ireo malaso amin’ny fangalarana omby, niverina indray amin’izao fotoana ny vaky fasana arahana halatra taolam-paty . Efadahy mirijarija  30  hatramin’ny 35 taona eo izy ireto .Vela-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana no nahasaronana azy ireto. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsotra no nibitsika tany amin’ny mpitandro filaminana .Rehefa noporofoina ny loharanom-baovao, tratra am-bodiomby ary nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana nanaovana fanahadihadiana izy efa-dahy ireo .Niaiky ny zava-doza vitany rehefa vita ny famotorana natao azy ireo . Araka ny loharanom-baovao, mbola misy taolana enina gony sy entana hafa no sisa any amin’ny toerana nametrahana ny ambiny. Voalaza fa tany amin’ny kaominina ambanivolon’i Mahatalaky distrikan’i Fort-Dauphin no niaingan’ireto taolana ireto ary saika taolan-tongotra sy taolan-tànana . Tsy ao amin’ny kaominina Mahatalaky ihany no ahitana ity vaky fasana ity fa saika manerana ny distrikamihitsy.Fa tamin’ny fanahadihadiana ihany no nahalalana fa mbola mihamahazo vahana ny fanondranana ny rongony.Ao amin’ity kaominina iray ity sy any amin’ny lemaka Ambolo-Ranomafana (lemak’i Manampanihy) no sompitr’ity zava-mahadomelina iray ity.Voalaza fa efa misy tambazotra  goavana no manao azy ity ho antom-pivelomana ary mahavatra manondrana ivelan’ny Faritra Anôsy. Tsy raviny ihany fa misy hatramin’ny voany sy menaka ihany koa. Saika miseho lany any amin’iny faritra iny avokoa izao zava-doza sy mamohehitra tsy fahita hatramin’izay. Ny fiaraha-mientan’ny daholobe no hahitana vahaolana amin’ny seho toy izany. Raha tsy izany mampanahy ny hoavin’ny zanaka malagasy.

Rom farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser