Isan’ireo distrika tsy mandry fahalemana indrindra ny vaky trano ny distrikan’I Brickaville tamin’ity taona ity. Vokatra izany nandray fepetra araka ny baiko avy amin’ny lehiben’ny OMC nasionaly ny borigadin’ny zandary tao Brickaville, ka nandray fepetra amin’ny fametrahana ny andrimasompokonolona. Ny ny famoariana ireo vahoaka nataon’ny zandary Brickaville tao anatin’izay ary nentinany ireto vahoaka ho samy ho vonona amin’ny fanaovana ny andrimasompokonolona, mba hisian’ny filaminana an-tanana. Ireo tsy mandray anjara amin’izany kosa dia misy ny sazy omena azy ireo hoy ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana. Nahavelombolo ny vahoaka ny fandraisan’ny komandin’ny borigadin’I Brickaville izao fanapahan-kevitra izao, ary nanohana izany ireto vahoaka tonga nihaona tamin’ny zandary. Izay androamasompokonolona izao tokoa hoy ny vahoaka no ahitana fahombiazana mikasika ity tsy fahadriampahalemana amin’ny vaky trano, izay saika isan-andro ity. Vonona hifanoana amin’ny vahoaka amin’ny andrimasompokonolona ataony ny zandary hoy ny CB ny borigadin’ny zandary Brickaville, tsy andeferana ireo tratra manao asa ratsy ao anatin’izany fa tsy maintsy anaovana fanadiadiana ary entina eo anivon’ny fitsarana. Vonona hanaraka ny toromarika rehetra apetraky ny CB ny zandary ireto vahoaka niatrika ny fihaonana.
Malala Didier



