Nisehoana halatra fitaovana nitentina teo enina hetsy ariary teo ny tao amin’ny Mosquée tetsy 67ha ny volana lasa teo. Nitory araka izany ny tompon’andraikitra. Niakatra fitsaràna ilay olona voarohirohy tamin’io resaka io. Taty aorina anefa, fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika ilay olona. Nivadika tanteraka ny toe-draharaha hatreo. Nolazain’ity olona ity mantsy, izay atosika tompon’andraiki-panjakana iray teo aloha, izy ireto izay ireo samy mpino silamo avokoa, fa Raiamandrenibe iray avy ao amin’io Mosquée 67Ha io no nitory azy. « Tsy ekenay izay filazana izany fa fanosoram-potaka tanteraka ny Raiamandreninay ara-pinoana » hoy ny filazan’Atoa Ranaivoson Peter Adrien, filohan’ny Kômity mpitantana eo anivon’ity trano fivavahana silamo ity. Namory ny mpanao gazety izy ireo, niaraka tamin’ny Kômitin’ny olon-kendry, ho fanazavana ity tranga nampiteraka savorovoro teo anivon’ireo mpino silamo ity. Araka ny fanazavana nomeny dia ny Komity mpitantana no nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana, amin’ny maha mbola eo ambany lalàna azy ireo, fa tsy io Raiamandrenibe io. Fanalam-baraka tanteraka ny fandraisan’ireo mpino silamo an’izany zavatra izany. Nanamafy izany ireo solontenan’ny mpino silamo tafaresaka taminay. « Olon-kendry sy manam-panahy io olona alain’izy ireo baraka io. Raiamandrenibe to-teny sy eken’ireo mpino silamo ary mahavita mampitambatra ny rehetra. Tsy mahavita an’izany izy ary tsy manana fahefana hanao izany rahateo, araka ny rafitra misy ao amin’ny Mosquée ». Izao savorovoro izao no misy, araka ny filazan’ireo mpino hatrany, dia noho ny tsy mbola nahatafantsangana ilay Fikambanamben’ny Silamo eto Madagasikara, izay efa rava tamin’ny taona 2009. Miantso ny fitondram-panjaka araka izany izy ireo mba hijery ity raharaha ity, ary hanampy amin’ny fananganana io rafitra ofisialy io.
m.L