- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitranivo- Tsaratanàna : Votsotra nandritry ny fifampitifirana ny nalaina an-keriny

Ambohitranivo- Tsaratanàna : Votsotra nandritry ny fifampitifirana ny nalaina an-keriny

Ny 06 Aprily teo, tokony tamin’ny 10 ora alina mahery 45 minitra tany ho any no nahazo antso an-telefaonina makasika ny trangana kidnapping niseho tao Ambohitranivo, fokontany ao ihany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny Zandary fa nisy dahalo enina nitondra fitaovam-piadina mahery vaika sy naka an-keriny Renim-pianakavina iray. Taorian’izay dia nizotra nianavaratra ny tanàna nisehoan’ny fakana an-keriny ny lalan’ireo malaso, ary nivadika nianatsimo rehefa lasa lavidavitra avy eo. Noho ny antso an-taribia ara-potoana dia nidina ifotony nalaky ny Zandary niisa 15 avy ao amin’ny borigady ny Brieville sy CSAO Andriamena, nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy. Tany avaratra/atsinanana ny tanàna atao hoe: Ambohimaranitra, mbola any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville hatrany no raikitra ny fifandonana, ka lasa nitsoaka nandositra ny dahalo raha nahita ny fahavononan’ireo Zandary, izay avy fofona. Vokany: votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny olona iray nalaina an-keriny, tokony tamin’ny 11 ora alina mahery 42 minitra. Efa nomena ny fianakaviany moa ilay lehilahy 35 taona nalaina an-keriny no tsy nisy hatahorana ihany koa ny fahasalamany. Mitohy ny fikarohana ataon’ny Zandary any an-toerana, amin’ireo olon-dratsy fahavalom-bahoaka. Etsy an-daniny kosa dia misokotra hatrany ny fanadihadiana amin’ny mety ho mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany mampahafantatra fa nitondra teny fisaorana an’ireo mpitandro ny filaminana niharam-boina sy ny fianakaviany, satria haingam-pandeha tokoa ny fanarahan-dia nataon’ny Zandary.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici