- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana mpitsara : Olona telo nigadra mandra-pahafaty

Famonoana mpitsara : Olona telo nigadra mandra-pahafaty

15 taona sazy an-tranomaizina ny an’ny ramatoa iray izay voasokajy tamin’ny firaisana tsikombakomba tam’ny famonoana. Dimy taona ny an’ny mpividy ny fiara an’ilay mpitsara. Sazy an-terivozona mandram-pahafaty kosa ny an’ny telolahy izay nanatontosa mivantana ny famonoana sy ny fandevenana. Ho an’ireo olona am-polony hafa kosa dia nahazo fahafahana noho ny fisalasalàna izy ireo. Izay no didim-pitsaràna ady heloka bevava izay nahakasika ny famonoana ho faty an’i Rakotondravony Henri. Io farany dia mpitsara teo anivon’ny Fitsaràna ambony Mahajanga ary niakatra namita iraka teto an-drenivohitra no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny volana jiona 2024. Teo Antsahadinta no nalevin’ireo olon-dratsy ary ny fanadihadiana izay notontosain’ny BC no isan’ny nahitàna ny razana. Taorian’izay no nosamborina ireo olona 18 ary nanokafana fanadihadiana. Nidoboka am-ponja (Tsiafahy sy Antanimora) ary nisy vehivavy koa tao anatin’ilay tambajotra. Isan’ny anton-dian’ilay mpitsara ny hivarotra ny fiarany sy hividy iray hafa eto an-drenivohitra tamin’io fotoana io. Izany dia ankoatry ny fanaterany ny valim-pifidianana any amin’ny fari-piadidiana nisy azy. Io vola io no nanintona ireo olon-dratsy izay nisy olona akaiky azy ihany tao anatiny. Niteraka hatramin’ny famonoana ho faty izany ary nandevenana an-tsokosoko ny razana teny Antsahadinta. Herintaona latsaka taty aoriana no nandeha ny fitsaràna teo anivon’ny ady heloka bevava ary voasazy an-terivozona mandram-pahafaty ireo tena nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana. Efa alim-be ny alarobia teo vao vita ny fitsaràna ireo olona 18.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici